Bonne année pédagogique / Arahaba tratry ny taona vaovao
22 01 2010Arahaba tratry ny taona vaovao.
Miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2010 indray ary koa ity taom-panabeazana vaovao ity. Mirary soa ho an’ise sy ny olona akaiky amin’ise, mirary fahombiazana amin’ny fanabeazana imatimatesantsika ary koa mirary soa ho an’ny fivondronana misy an’ise. Tily andro iray, tily mandrakizay.
Vaovao tapatapany :
- Vita soa aman-tsara ny fanolorana an’i Taleva ho toniam-pivondronana Paris1. Mirary soa azy isika hahaleo sy ahalasa amin’izany andraikitra goavana noekeny izany.
- Nody any Madagasikara i Tsiry - tonian’ny Fivondronana Paris - nodimbiasan’i Taleva. Hoy isika hoe : Misaotra, misaotra, misaotra an’ise izahay …
Vaovao mampalahelo :
Nody mandry i Haja Ramanantoanina. i Haja no anisan’ny nanentana sy nanao izay ahatsangana ny fivondronana Toulouse Capitole. Rehefa mivory ny mpiandraikitra dia i Haja no manao izay ahatontosa ny toerana ilasiana sy ny fanafanana ny fiaraha-misakafo fahadimin’ny mpiandraikitra. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana isika ary mankahery azy ireo. Mandria amim-piadana r’ise Haja






Commentaires récents